namanao

miverina kely indray ela ela izay

fanaina | 07 Febroary, 2007 18:28

fanaina
vehivavy fiangotiana
mamy sady fitosiana
tsotra,manam-po malemy,
io no antsoina hoe: i Neny.

Fony izaho mena vava,
Tsy nahay niteny dada,
Dia i neny no nitahy,
Nampisava ny ahiahy.

Fony tsy nahay nisotro
Dia i neny no nitrotro
Nampinono sy nibaby
Izany no isaorako azy.

Teliko sy tena nmamy
Ny soa rehetra sesilany
Taminao ry neny tiana
Loharano niaviana.

Zao no teniko aminao
Ory neny tsy andao
Dia misaotra anao tokoa
Nanabe sy nanasoa.

Tsy mba izay volamena
No hatolotra, homena
Fa fitiavana madio
No atolotro anio.

Tsy ho hadinoina
Ny asa vitanao, ry neny.
Tsy mba haiko hovonoina
Ato am-poko izy ireny.

Hevitra

Re: miverina kely indray ela ela izay

kitjo | 08/02/2007, 16:06

sali njy
tongasoa ndray e...ary mbo mahavitria amzay..hiihih
tsara kely akia le tononkalo...ndry namorona azy?
alefaso ndray manaraka e

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb