namanao

moi

fanaina | 07 Febroary, 2007 18:26

fanaina
ela ela kely indray vao mandalo hoe!!!


NAHOANA?

Nahoana ny velona no miavonavona,
kanefa ny ampitso dia lasa ho zavona;
Vola sy harena ho lo no ananana
Ka hanamavomavoina ny fihavanana?

Nahoana ny maro no mitonatonana,
Fahaizana kely dia ifokafokana,
Raha vao mandingana irony tokonana
Dia efa mihevitra ho eny am-bovonana?

Nahoana raha sendra ingain'ny vintana,
No mihevi-tena ho eny amin'ny kintana;
Kanefa dia vovoka no niandohana,
Ary vovoka koa no mbola hiafarana!!
 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb